Isaiah 63:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nitsinjo Aho, nefa tsy nisy olona hanampy Ahy; ary talanjona Aho, satria tsy nisy olona hanohana Ahy. Koa ny sandriko ihany no nanao famonjena ho Ahy ary ny fahavinirako no nanohana Ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nijery aho fa tsy nisy olon-kanampy; talanjona aho fa tsy nisy olon-kanohana. Ka dia ny sandriko no namonjy ahy, ary ny hatezerako no nanohana ahy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nijerijery olona Aho, kanefa tsy nisy afaka hanampy Ahy. Gaga Aho satria tsy nisy nanohana, koa ny fahefàko ihany no nentiko hamonjy ary ny fahavinirako no nandrisika Ahy.
Malagasy Bible 1865
Nitsinjo Aho, nefa tsy nisy hamonjy, ary talaniona Aho, satria tsy nisy hanohana, ka dia ny sandriko ihany no nanao famonjena ho Ahy, ary ny fahavinirako no nanohana Ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nitsinjo Aho, nefa tsy nisy olona hanampy Ahy; ary talanjona Aho, satria tsy nisy olona hanohana Ahy. Koa ny sandriko ihany no nanao famonjena ho Ahy ary ny fahavinirako no nanohana Ahy.
malagasy
Nitsinjo Aho, nefa tsy nisy hamonjy, ary talaniona Aho, satria tsy nisy hanohana, ka dia ny sandriko ihany no nanao famonjena ho Ahy, ary ny fahavinirako no nanohana Ahy.