Isaiah 63:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanitsaka firenena tamin’ny fahatezerako Aho sady nahamamo azy tamin’ny fahavinirako ary nandatsaka ny rany tamin’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nentin’ny hatezerako aho nanamontsana ny firenena; nataoko leon’ny fahavinirako izy ireo; ary nataoko nandriaka tamin’ny tany ny rany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nentanim-pahatezerana Aho ka nanamontsana ireo hafa firenena; nataoko boboky ny fahavinirako ireny, sady napariakako tamin’ny tany ny rany.
Malagasy Bible 1865
Nanitsaka firenena tamin'ny fahatezerako Aho sady nampahaleony azy tamin'ny fahavinirako ary nandatsaka ny ràny tamin'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanitsaka firenena tamin’ny fahatezerako Aho sady nahamamo azy tamin’ny fahavinirako ary nandatsaka ny rany tamin’ny tany.
malagasy
Nanitsaka firenena tamin'ny fahatezerako Aho sady nampahaleony azy tamin'ny fahavinirako ary nandatsaka ny ràny tamin'ny tany.