Isaiah 63:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny famindrampon’NY TOMPO no hambarako, dia ny asany mendri-piderana araka izay rehetra nataon’NY TOMPO tamintsika sy ny haben’ny fahasoavana tamin’ny taranak’Israely, dia ny soa nataony taminy araka ny fiantrany sy ny haben’ny famindrampony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hankalazaiko ny famindram-pon’i Iaveh, ny fiderana an’i Iaveh, noho izay rehetra efa nataon’i Iaveh ho antsika, noho ny hatsaram-pony lehibe amin’ny taranak’i Israely, izay nasehony azy araka ny fiantràny sy araka ny famindram-pony tsy misy fetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hampahatsiaroviko ireo mari-pitiavan’ny TOMPO sy ireo antony tokony hiderantsika AZY, araka izay rehetra nataony tamintsika mbamin’ny soa be nafafiny ho an’ny taranak’Israely. Famindrampo sy fitiavana tsy hita lany no nanaovany an’izany ho azy.
Malagasy Bible 1865
Ny famindram-pon'i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an'i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben'ny fahasoavana tamin'ny taranak'Isiraely. Izay nomeny azy araka ny fiantrany sy araka ny haben'ny famindram-pony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny famindrampon’NY TOMPO no hambarako, dia ny asany mendri-piderana araka izay rehetra nataon’NY TOMPO tamintsika sy ny haben’ny fahasoavana tamin’ny taranak’Israely, dia ny soa nataony taminy araka ny fiantrany sy ny haben’ny famindrampony.
malagasy
[Fivavahana sy fiaiken-keloka ary fiderana noho ny famonjen'Andriamanitra hatramin'ny taloha] Ny famindram-pon'i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an'i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben'ny fahasoavana tamin'ny taranak'Isiraely. Izay nomeny azy araka ny fiantrany sy araka ny haben'ny famindram-pony.