Isaiah 64:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mitsena izay mifaly hanao ny marina Ianao dia izay mahatsiaro Anao amin’ny lalanao; Indro, tezitra Ianao, ary hita fa meloka izahay; fa tamin’ireo lalana fahiny no namonjena anay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianao no mitsena izay manaraka ny rariny an-kafaliana, izay mizotra ny lalanao sady mahatsiaro Anao. Fa izao tezitra Ianao, ary meloka izahay; - sady efa ela no toy izany: hovonjena va izahay?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mitsena izay mifaly hanao ny marina Ianao, dia izay mihevitra hanaraka ny lalanao; koa raha tezitra Ianao, dia satria nanota izahay. Nefa ho voavonjy ihany izahay, rehefa ho voakosokao tanteraka ny otanay.
Malagasy Bible 1865
Mitsena izay mifaly hanao ny marina Hianao, dia izay mahatsiaro Anao amin'ny lalanao; indro, Hianao dia tezitra, ary hita fa meloka izahay; Hatramin'ny ela dia izany no toetray, ka dia hovonjena va?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mitsena izay mifaly hanao ny marina Ianao dia izay mahatsiaro Anao amin’ny lalanao; Indro, tezitra Ianao, ary hita fa meloka izahay; fa tamin’ireo lalana fahiny no namonjena anay.
malagasy
Mitsena izay mifaly hanao ny marina Hianao, dia izay mahatsiaro Anao amin'ny lalanao; indro, Hianao dia tezitra, ary hita fa meloka izahay; Hatramin'ny ela dia izany no toetray, ka dia hovonjena va? [Na: Miantra][Na: ary efa nanota]