Isaiah 65:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ny aminareo izay mahafoy NY TOMPO sy manadino ny tendrombohitro masina sady mamelatra latabatra ho an’i Gada sy mampidina divay noharoharoan-javatra ho an’i Menỳ,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ianareo kosa izay nahafoy an’i Iaveh, sy nanadino ny tendrombohitro masina, fa mamela-databatra ho an’i Gada, ary mameno kapoaka ho an’i Menì,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ianareo izay nandao Ahy TOMPO kosa ka nanadino ny mankeny an-tendrombohitro masina, ianareo izay nandroso sakafo ho an’i Gada sady nanatitra divay voaharoharo ho an’i Menỳ,
Malagasy Bible 1865
Fa ny aminareo izay mahafoy an'i Jehovah sy manadino ny tendrombohitro masina, sady mamelatra latabatra ho an'i Gada sy mampidina divay noharoharoan-javatra ho an'i Meny,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ny aminareo izay mahafoy NY TOMPO sy manadino ny tendrombohitro masina sady mamelatra latabatra ho an’i Gada sy mampidina divay noharoharoan-javatra ho an’i Menỳ,
malagasy
Fa ny aminareo izay mahafoy an'i Jehovah sy manadino ny tendrombohitro masina, sady mamelatra latabatra ho an'i Gada sy mampidina divay noharoharoan-javatra ho an'i Meny, [Gada = Zara, ary Meny = Vintana; samy anaran'andriamani-tsi-izy ireo][Heb. mameno]