Isaiah 65:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noho izany dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hihinana ny mpanompoko, fa ianareo kosa dia ho mosarena; indro, hisotro ny mpanompoko, fa ianareo kosa dia ho main-tenda; indro, hifaly ny mpanompoko, fa ianareo kosa dia hitsanga-menatra;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa izao no lazain’i Iaveh Tompo: Ny mpanompoko hihinana, fa ianareo ho noana; ny mpanompoko hisotro, fa ianareo hangetaheta. Ny mpanompoko hiravoravo, fa ianareo hangaihay;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa hoy Izaho Tompo ANDRIANANAHARY hoe: Indro ny mpanompoko hihinana, fa ianareo kosa ho mosarena; indro ny mpanompoko hisotro fa ianareo kosa ho main-ketaheta; indro ny mpanompoko hifaly, fa ianareo kosa ho menatra.
Malagasy Bible 1865
Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ny mpanompoko hihinana, fa ianareo kosa ho mosarena; Indro, ny mpanompoko hisotro, fa ianareo kosa ho main-tenda; indro, ny mpanompoko hifaly, fa ianareo kosa ho menatra;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noho izany dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hihinana ny mpanompoko, fa ianareo kosa dia ho mosarena; indro, hisotro ny mpanompoko, fa ianareo kosa dia ho main-tenda; indro, hifaly ny mpanompoko, fa ianareo kosa dia hitsanga-menatra;
malagasy