Isaiah 65:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
koa izay miarahaba tena etỳ ambonin’ny tany dia hanao izany amin’ny anaran’Andriamanitry ny Amena ary izay mianiana etỳ ambonin’ny tany dia hianiana amin’Andriamanitry ny Amena, satria efa hadino ny fahoriana taloha sady voafina izany ka tsy hitan’ny masoko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Na iza na iza te-hotahina eto an-tany, dia hitady hotahin’ny Andriamanitry ny fahamarinana; ary na iza na iza hianiana eto an-tany, hianiana amin’ny Andriamanitry ny fahamarinana. Fa ny fahoriana taloha hohadinoina, sy ho lasa tsy ho hitan’ny maso intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa izay hifampirary fitahiana eto amin’ity tany ity, dia hifanao izany ao amin’Andriamanitra hany mahatoky; izay hianiana eto amin’ity tany ity, dia hanao izany ao amin’Andriamanitra hany mahatoky. Hoy kosa ny TOMPO hoe: Eny, ireo fahoriana taloha dia hohadinoina sy ho voakosoka tanteraka tsy ho eo imasoko.
Malagasy Bible 1865
Ka izay miarahaba tena etỳ ambonin'ny tany dia hanao izany amin'ny anaran'Andriamanitry ny Amena; ary izay mianiana etỳ ambonin'ny tany dia hianiana amin'Andriamanitry ny Amena, satria efa hadino ny fahoriana taloha, sady voafina izany ka tsy hitan'ny masoko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
koa izay miarahaba tena etỳ ambonin’ny tany dia hanao izany amin’ny anaran’Andriamanitry ny Amena* ary izay mianiana etỳ ambonin’ny tany dia hianiana amin’Andriamanitry ny Amena, satria efa hadino ny fahoriana taloha sady voafina izany ka tsy hitan’ny masoko.
malagasy
Ka izay miarahaba tena etỳ ambonin'ny tany dia hanao izany amin'ny anaran'Andriamanitry ny Amena; ary izay mianiana etỳ ambonin'ny tany dia hianiana amin'Andriamanitry ny Amena, satria efa hadino ny fahoriana taloha, sady voafina izany ka tsy hitan'ny masoko. [Amena = fahamarinana]