Isaiah 65:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tsy hisy ao intsony ny zaza minono fohy andro, ary tsy hisy lahiantitra izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota izay mahatratra zato taona dia ho toy ny voaozona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy hisy intsony ao na ny zaza teraka ho fohy andro iainana, na ny anti-panahy tsy mahatratra ny isan’ny androny; fa mbola maty tanora ihany ny maty amin’ny fahazato taonany, ary efa zato taona ny mpanota vao ho tratry ny ozona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy hisy ao intsony ny zaza minono izay ho faty anatin’ny andro vitsivitsy na ny antitra tsy hahatapitra ny androny; fa ho maty tanora izay maty zato taona, ary heverina ho olona voaozona izay tsy mahatratra zato taona.
Malagasy Bible 1865
Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tsy hisy ao intsony ny zaza minono fohy andro, ary tsy hisy lahiantitra izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota izay mahatratra zato taona dia ho toy ny voaozona.
malagasy
Ary na dia ny zaza minono any aza dia tsy ho fohy andro, ary tsy hisy anti-panahy izay tsy nahatapitra ny androny; fa mbola zatovo ihany izay maty na dia efa zato taona aza, ary ny mpanota aza, dia hahatratra zato taona vao hozonina.[Na: Ary ny mpanota izay mahatratra zato taona ihany dia hatao ho voaozona]