Isaiah 65:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa; fa ho tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa tsy hanao trano honenan’ny hafa izy, na hamboly hihinanan’ny sasany. Fa hanahaka ny an’ny hazo ny andron’ny oloko; ary hahatonta ny asan’ny tanany ireo voafidiko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy hanao trano hitoeran’ny hafa intsony izy na hamboly zavatra hohanin’ny olon-kafa; fa ho tahaka ny andro hiainan’ny hazo ny andro hiainan’ny vahoakako, ary ny olom-boafidiko hanaram-po amin’ny vokatry ny asa vitany.
Malagasy Bible 1865
Tsy hanao trano hitoeran'olon-kafa izy, Na hamboly zavatra hohanin'olon-kafa; Fa ho tahaka ny andron'ny hazo ny andron'ny oloko, Ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin'ny asan'ny tanany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy, na hamboly zavatra hohanin’olon-kafa; fa ho tahaka ny andron’ny hazo ny andron’ny oloko, ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin’ny asan’ny tanany.
malagasy
Tsy hanao trano hitoeran'olon-kafa izy, Na hamboly zavatra hohanin'olon-kafa; Fa ho tahaka ny andron'ny hazo ny andron'ny oloko, Ary ireo voafidiko dia hanaram-po amin'ny asan'ny tanany.