Isaiah 65:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka. Fa taranak’izay notahin’NY TOMPO ireo, ary ho ao aminy koa ny taranany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy hanasa-tena foana intsony izy; na hiteraka ho faty tampoka foana; fa ho taranaka ambinin’i Iaveh izy ireo mbamin’ny solofony miaraka aminy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy hisasatra foana intsony izy na hitera-jaza ho fatin’ny loza tampoka; fa fianakaviana izay notahiko izy, na ny tenany na ny zanany naterany.
Malagasy Bible 1865
Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka; Fa taranak'izay notahin'i Jehovah ireo, Ary ny terany ho ao aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka. Fa taranak’izay notahin’NY TOMPO ireo, ary ho ao aminy koa ny taranany.
malagasy
Tsy hisasatra foana izy, na hitera-jaza ho tratry ny loza tampoka; Fa taranak'izay notahin'i Jehovah ireo, Ary ny terany ho ao aminy.[Na: Mbamin'ny terany koa]