Isaiah 65:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy izy: Mihataha fa aza manakaiky ahy, fa izaho no masina fa tsy ianao. Ireny dia setroka ao am-bavoroko; eny, afo mirehitra mandritra ny andro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
manao hoe: «Mihataha ianao! Aza manakaiky ahy, fa masina ho anao aho!» Ireny dia setroka eo am-bavoroko, afo mirehitra mandrakariva.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy ireo amin’izay ifanenany: «Mihatakataha lavitra, aza mikasika ahy fandrao mahafaty anareo ny fahamasinako.» Ireny fomban-tsampy isan-karazany ireny dia toy ny setroka mampirongatra ny hatezerako sy toy ny afo mampirehidrehitra azy isan’andro.
Malagasy Bible 1865
Izay manao hoe: Mihataha, fa aza manakaiky ahy, fa izaho no masina, fa tsy ianao, ireny dia setroka ao am-bavoroko, eny, afo mirehitra mandritra ny andro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy izy: Mihataha fa aza manakaiky ahy, fa izaho no masina fa tsy ianao. Ireny dia setroka ao am-bavoroko; eny, afo mirehitra mandritra ny andro.
malagasy
Izay manao hoe: Mihataha, fa aza manakaiky ahy, fa izaho no masina, fa tsy ianao, ireny dia setroka ao am-bavoroko, eny, afo mirehitra mandritra ny andro.