Isaiah 65:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Tahaka ny ranom-boaloboka hita ao an-tsampahony ka ataon’ny olona hoe: Aza simbana fa misy fitahiana ao anatiny! Dia toy izany no hataoko noho ny amin’ireo mpanompoko ka tsy hanimba azy rehetra Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: Raha misy ranom-boaloboka eo amin’ny sampahony, dia hoy ny olona mahita azy: «Aza simbàna, fa misy fitahiana ao;» toy izany koa no hataoko, noho ny amin’ny mpanompoko, mba tsy handrava azy rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPO: Rehefa ahitana sampaho mamy eo amin’ny rantsam-boaloboka iray dia ataon’ny olona hoe: «Aza simbana izany, fa misy fitahiana hahazoan-divay tsara eo aminy»; ho tahaka izany koa no hataoko amin’ny mpanompoko mba tsy hosimbako izy rehetra.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah: Tahaka ny ranom-boaloboka hita ao antsampahony ka ataon'ny olona hoe: Aza simbana, fa misy fitahiana ao anatiny dia toy izany no hataoko noho ny amin'ny mpanompoko, ka tsy hanimba azy rehetra Aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Tahaka ny ranom-boaloboka hita ao an-tsampahony ka ataon’ny olona hoe: Aza simbana fa misy fitahiana ao anatiny! Dia toy izany no hataoko noho ny amin’ireo mpanompoko ka tsy hanimba azy rehetra Aho.
malagasy