Isaiah 65:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hahatonga taranaka avy amin’i Jakoba Aho, ary mpandova ny tendrombohitro avy amin’i Joda; ireo voafidiko no handova azy; eny, ireo mpanompoko no honina ao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hamoaka taranaka avy amin’i Jakôba Aho, sy mpandova ny tendrombohitro, avy amin’i Jodà, ka ny voafidiko no hahazo azy, ary ny mpanompoko no honina eo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Homeko taranaka ny firenen’i Jakôba sy ny fokon’i Joda. Ireny no ho tompon’ny tendrombohitro: ireo voafidiko no ho tompony, ireo mpanompoko no honina eo.
Malagasy Bible 1865
Hahatonga taranaka avy amin'i Jakoba Aho sy mpandova ny tendrombohitro avy amin'i Joda; Ary ireo voafidiko no handova azy, eny, ny mpanompoko no honina ao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hahatonga taranaka avy amin’i Jakoba Aho, ary mpandova ny tendrombohitro avy amin’i Joda; ireo voafidiko no handova azy; eny, ireo mpanompoko no honina ao.
malagasy
Hahatonga taranaka avy amin'i Jakoba Aho sy mpandova ny tendrombohitro avy amin'i Joda; Ary ireo voafidiko no handova azy, eny, ny mpanompoko no honina ao.