Isaiah 66:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Ny lanitra no sezafiandrianako ary ny tany no fitoeran-tongotro. Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary toerana manao ahoana no ho fitsaharako?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: Ny lanitra no seza fiandrianako; ary ny tany no fitoeran-tongotro. Ka trano inona no hataonareo ho Ahy, ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPO: «Ny lanitra no sezafiandrianako ary ny tany no fitoeran-tongotro. Koa trano toa inona moa no hataonareo ho Ahy? Ary toerana toa inona no hialako sasatra?
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah: Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Ny lanitra no sezafiandrianako ary ny tany no fitoeran-tongotro. Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary toerana manao ahoana no ho fitsaharako?
malagasy
[Ny toe-panahin'ny tena Isiraely sy ny fandavana ny tsy izy, ary ny fandrosoan'ny Fiangonana sy ny hamoriana ny firenena rehetra hankany Jerosalema, ary ny handringanana ny ratsy fanahy] Izao no lazain'i Jehovah: Ny lanitra no seza fiandrianako, Ary ny tany no fitoeran-tongotro; Trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? Ary fitoerana manao ahoana no ho fitsaharako?