Isaiah 66:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hahita izany ianareo ka ho faly ny fonareo, ho tsara fitombo tahaka ny ahi-maitso ny taolanareo; ary ny tanan’NY TOMPO dia ataony fantatry ny mpanompony, fa ho tezitra amin’ny fahavalony kosa Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, ary hahazo aina indray hoatra ny ahi-maitso ny taolanareo. Hataon’ny tanan’i Iaveh izay hahalalan’ny mpanompony azy, sy hahalalan’ny fahavalony kosa ny fahatezerany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia ho tsapanareo amin’izany fa ho dibo-kafaliana ny fonareo, ary ny taolanareo efa maina hahazo hery indray tahaka ny ahitra mirobona.» Hataon’ny TOMPO fantatr’ireo mpanompo Azy ny fahefàny; fa ho tezitra kosa amin’ny fahavalony Izy.
Malagasy Bible 1865
Dia hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, Ary ny taolanareo ho tsara fitombo tahaka ny ahi-matiso; Ary ny tànan'i Jehovah dia ataony fantatry ny mpanompony, Fa ho tezitra amin'ny fahavalony kosa Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hahita izany ianareo ka ho faly ny fonareo, ho tsara fitombo tahaka ny ahi-maitso ny taolanareo; ary ny tanan’NY TOMPO dia ataony fantatry ny mpanompony, fa ho tezitra amin’ny fahavalony kosa Izy.
malagasy