Isaiah 66:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa indro NY TOMPO ho avy amin’ny afo, ary tahaka ny tadio ny kalesy fitondrany miady maro mba hanao famaliana amin’ny hatezerany mirehitra sy ny fitenenany mafy amin’ny lelafo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria indro i Iaveh tamy ao amin’ny afo; ary ny kalesiny dia sahala amin’ny tadio, hamoaka ny fahatezerany amim-pitenenana, sy ny fandrahonany amin’ny afo midedadeda.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Satria indro ny TOMPO fa tamy ao anaty afo, miriotra toy ny rambon-danitra ny kalesiny. Misafoaka erỳ Izy mampihatra ny fahatezerany sy ny fandrahonany amin’ny lelafo miredareda.
Malagasy Bible 1865
Fa, indro, Jehovah ho avy amin'ny afo, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, Mba hanao famaliana amin'ny fahatezerany mirehitra, Sy ny fitenenany mafy amin'ny lelafo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa indro NY TOMPO ho avy amin’ny afo, ary tahaka ny tadio ny kalesy fitondrany miady maro mba hanao famaliana amin’ny hatezerany mirehitra sy ny fitenenany mafy amin’ny lelafo.
malagasy
Fa, indro, Jehovah ho avy amin'ny afo, Ary tahaka ny tadio ny kalesiny, Mba hanao famaliana amin'ny fahatezerany mirehitra, Sy ny fitenenany mafy amin'ny lelafo.