Isaiah 66:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay manamasina sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly ka mifandimby mankeo afovoany ary mihinana henan-kisoa sy zava-betaveta ary totozy dia hiaraka ho levona avokoa, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izay manokan-tena sy mandio tena ho ao an-tanimboly, eo ivohon’ilay iray efa mijoro eo afovoany, izay mihinana hena kisoa sy ny zava-betaveta mbamin’ny totozy, dia hiara-devona avokoa, - teny marin’i Iaveh.-
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia ireo mihambo hidio manokana mba ho afa-miditra ao an-tanimboly sy hipetraka aorian’ilay eo afovoany, na koa ireo mihinana henakisoa sy voalavo mbamin’ny zava-maharikoriko. Ho indray levona avokoa ny fanao amam-pisainan’ireny. Izany no teny hentitry ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Izay manamasina sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly, Ka manaraka ny iray ao afovoany, Ary mihinana ny henan-kisoa sy ny zava-betaveta ary ny totozy; Dia hiaraka ho levona avokoa, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay manamasina sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly ka mifandimby mankeo afovoany ary mihinana henan-kisoa sy zava-betaveta ary totozy dia hiaraka ho levona avokoa, hoy NY TOMPO.
malagasy
Izay manamasina sy manadio ny tenany ho ao an-tanimboly, Ka manaraka ny iray ao afovoany, Ary mihinana ny henan-kisoa sy ny zava-betaveta ary ny totozy; Dia hiaraka ho levona avokoa, hoy Jehovah.