Isaiah 66:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hasiako famantarana eo aminy; izay afaka mandositra dia hisy halefako ho any amin’ny Jentilisa, dia ho any Tarsisy sy Pola ary Loda izay mpanenjana tsipìka, ho any Tobala sy Javana, dia ho any amin’ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako na nahita ny voninahitro, ary hitory ny voninahitro any amin’ny Jentilisa izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary hanao fahagagana eo amin’izy ireo Aho. Ary ny afa-nandositra taminy dia hanirahako ho any amin’ny firenena, any Tarsisa, Fola, Loda mpandefa zana-tsipìka, Tobala sy Javàna, ary any amin’ireo nosy lavitra, tsy mbola nandre ny lazako akory, na nahita ny voninahitro; dia hitory ny voninahitro any amin’ny firenena ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hapetrako eo anivony ny mariky ny fahefàko. Ary ireo sisa velona tamin’ny fitsarako dia hirahiko ho any amin’ny vahoakan’i Tarsisy sy i Pola ary i Loda izay olona kinga amin’ny fandefasana zana-tsipîka, na hirahiko ho any Tobala sy i Javàna ary any amin’ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako sady tsy mbola nahita ny voninahitro. Dia hotorîn’ireo irako any amin’ny hafa firenena ny voninahitro.
Malagasy Bible 1865
Ary hasiako famantarana eo aminy, Ary izay afaka mandositra dia hirahiko ho any amin'ny jentilisa, Dia ho any Tarsisy sy Pola ary Lydia, izay manenjana tsipìka, Ary ho any Tobala sy Javana, Dia ho any amin'ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako; Na nahita ny voninahitro, Ary hitory ny voninahitro any amin'ny jentilisa izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hasiako famantarana eo aminy; izay afaka mandositra dia hisy halefako ho any amin’ny Jentilisa, dia ho any Tarsisy sy Pola ary Loda izay mpanenjana tsipìka, ho any Tobala sy Javana, dia ho any amin’ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako na nahita ny voninahitro, ary hitory ny voninahitro any amin’ny Jentilisa izy.
malagasy
Ary hasiako famantarana eo aminy, Ary izay afaka mandositra dia hirahiko ho any amin'ny jentilisa, Dia ho any Tarsisy sy Pola ary Lydia, izay manenjana tsipìka, Ary ho any Tobala sy Javana, Dia ho any amin'ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako; Na nahita ny voninahitro, Ary hitory ny voninahitro any amin'ny jentilisa izy.[Heb. Loda]