Isaiah 66:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izao zavatra rehetra izao no nataon’ny tanako dia ary izao rehetra izao, hoy NY TOMPO. Nefa izao no olona hotsinjoviko: Izay mahantra sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao rehetra izao nataon’ny tanako avokoa; ka izany no nahatonga azy ho misy; - teny marin’i Iaveh.- Izao no olona tsinjoviko, dia izay manetry tena sy torotoro fo, ary mangovitra amin’ny teniko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa izao rehetra izao dia nataon’ny tanako, ka dia Ahy avokoa izao rehetra izao; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Kanefa ny olona tsinjoviko dia ny mahantra sy ny torotoro fanahy ary ny mandray ny teniko amin-kovitra.
Malagasy Bible 1865
Fa izao zavatra izao no nataon'ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izao zavatra rehetra izao no nataon’ny tanako dia ary izao rehetra izao, hoy NY TOMPO. Nefa izao no olona hotsinjoviko: Izay mahantra sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko.
malagasy
Fa izao zavatra izao no nataon'ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko.