Isaiah 66:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hitondra ny rahalahinareo rehetra avy any amin’ny Jentilisa rehetra ho fanatitra ho an’NY TOMPO izy, mitaingin-tsoavaly sy anaty kalesy sy filanjana izy, ary mitaingina ampondra sy rameva haingam-pandeha, ho any Jerosalema tendrombohitro masina, hoy NY TOMPO; tahaka ny fitondran’ny Zanak’Israely ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ao anatin’ny lovia madio ho any amin’ny tranon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny rahalahinao rehetra dia naverin’izy ireo, avy amin’ny firenena rehetra, ho fanatitra ho an’i Iaveh; haveriny mitaingin-tsoavaly, ambony kalesy, am-pilanjana, mitaingina mole aman-drameva, ho ao amin’ny tendrombohitro masina, ho any Jerosalema, hoy i Iaveh, toy ny itondran’ny zanak’i Israely ny fanatitra ao anaty lovia, any an-tranon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hitondra ireo rehetra mpiray firenena aminareo avy amin’ny firenen-drehetra kosa ireto hafa firenena ireto. Mitaingin-tsoavaly ny mpiray firenena aminareo, entina an-kalesy na am-pilanjana, mitaingina boriky na rameva hatrany an-tendrombohitro masina any Jerosalema. Izany no ho fanatitr’ireo hafa firenena ho Ahy TOMPO, ka horaisiko tahaka ny fanatitra entin’ireo Israelita ao anaty lovia madio hankao an-tranoko.
Malagasy Bible 1865
Ary hitondra ny rahalahinareo rehetra izy, Avy any amin'ny jentilisa rehetra ho fanatitra ho an'i Jehovah, Mitaingin-tsoavaly sy ao anaty kalesy sy filanjana, Ary mitaingina ampondra sy rameva haingam-pandeha ho any Jerosalema tendrombohitro masina, hoy Jehovah, Dia tahaka ny fitondran'ny Zanak'Isiraely ny fanatitra hohanina ao anatin'ny vilia madio ho any an-tranon'i Jehovah;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hitondra ny rahalahinareo rehetra avy any amin’ny Jentilisa rehetra ho fanatitra ho an’NY TOMPO izy, mitaingin-tsoavaly sy anaty kalesy sy filanjana izy, ary mitaingina ampondra sy rameva haingam-pandeha, ho any Jerosalema tendrombohitro masina, hoy NY TOMPO; tahaka ny fitondran’ny Zanak’Israely ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry ao anatin’ny lovia madio ho any amin’ny tranon’NY TOMPO.
malagasy