Isaiah 66:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izay mamono omby dia ohatry ny mamono olona; izay mamono ondry hatao fanatitra dia ohatry ny mamolaka ny vozon’alika; izay manolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry dia ohatry ny manatitra ran-kisoa; izay mandoro ditin-kazo manitra ho fanati-pahatsiarovana dia ohatry ny misaotra ny sampy. Eny, nifidy ny halehany ireny sady nifaly tamin’ny fahavetavetany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izay mamono omby, hoatra ny mamono olona; izay manao sorona ondry, hoatra ny manakenda alika; izay manolotra fanatitra, hoatra ny manatitra ran-kisoa; izay mandoro emboka, hoatra ny misaotra ny sampy. Tahaka ny ifidianany ny lalany, sy ankasitrahan’ny fanahiny ny fahavetavetany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ao ny manao sorona mamono omby, kanefa mamono olona koa; ao ny mamono zanak’ondry, kanefa mamono alika koa; ao ny manao fanatitra lafarinina, kanefa manolotra ran-kisoa koa; ao ny mandoro vovo-javamanitra ho Ahy, kanefa manaja sampy koa. Noho ireo nifidy izany lalana izany sady finaritra amin’ny zava-maharikoriko,
Malagasy Bible 1865
Izay mamono omby dia hoatra ny mamono olona; Izay mamono ondry hatao fanatitra dia hoatra ny mamolaka ny vozon'alika; Izay manatitra fanatitra hohanina dia hoatra ny manatitra ran-kisoa; Izay mandoro ditin-kazo mani-pofona ho fanati-pahatsiarovana dia hoatra ny misaotra ny sampy. Eny, tahaka ny nifidianan'ireny ny halehany, Sy ny nifalian'ny fanahiny tamin'ny fahavetavetany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izay mamono omby dia ohatry ny mamono olona; izay mamono ondry hatao fanatitra dia ohatry ny mamolaka ny vozon’alika; izay manolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry dia ohatry ny manatitra ran-kisoa; izay mandoro ditin-kazo manitra ho fanati-pahatsiarovana dia ohatry ny misaotra ny sampy. Eny, nifidy ny halehany ireny sady nifaly tamin’ny fahavetavetany.
malagasy