Isaiah 66:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ianareo izay mangovitra noho ny teniny. Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo ka mandroaka anareo noho ny amin’ny anarako: Aoka hampiseho ny voninahiny NY TOMPO, mba ho hitanay ny fifalianareo! Kanefa izy ireny kosa no hitsanga-menatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mihainoa ny tenin’i Iaveh, ianareo izay mangovitra amin’ny teniny: Niteny ireo rahalahinareo izay mankahala anareo, sady nandroaka anareo noho ny amin’ny Anarako, nanao hoe: «Aoka hasehon’i Iaveh ny voninahiny, mba hahitanay ny fifalianareo!» Kanefa izy ireo no ho menatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mihainoa ny tenin’ny TOMPO ianareo izay mandray ny teniny amin-kovitra: «Misy mankahala anareo ny mpiray firenena aminareo ka manilika anareo noho ny fanajanareo Ahy, sady loa-bolana maneso anareo hoe: ‹Aoka ny TOMPO hampiseho ny voninahiny, dia hahita anareo mandresy izahay!› Kanjo ireny kosa no ho menatra.»
Malagasy Bible 1865
Mihainoa ny tenin'i Jehovah, Hianareo izay mangovitra noho ny teniny! Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo, Ka mandroaka anareo noho ny amin'ny anarako: Hampiseho ny voninahiny anie Jehovah, Mba ho faly mahita ny fifalianareo izahay! Kanefa ireny ho menatra kosa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mihainoa ny tenin’NY TOMPO, ianareo izay mangovitra noho ny teniny. Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo ka mandroaka anareo noho ny amin’ny anarako: Aoka hampiseho ny voninahiny NY TOMPO, mba ho hitanay ny fifalianareo! Kanefa izy ireny kosa no hitsanga-menatra.
malagasy