Isaiah 66:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Iza no nandre zavatra toy izany? Iza no nahita zavatra toy izany? Hisy tany hateraka indray andro va? Hisy firenena azo atao indray miteraka va? Fa raha vao nihetsi-jaza i Ziona dia efa velon-jaza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Zovy no mba efa nandre izay toy izany, zovy no mba efa nahita izay tahaka izany. Misy tany iray teraka indray andro va? na firenena iray natao indray niteraka? no vao nihetsi-jaza i Siôna dia niteraka ireo zanany?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iza no efa nandre sy nahita zavatra toy izany? Tany anankiray ve hateraka indray andro monja? ary firenena iray ve ho azo atao indray miteraka? Kanefa izany no niseho tamin’i Tsiôna: vao nihetsi-jaza izy, dia teraka ireo zanany.
Malagasy Bible 1865
Iza akory no efa nandre zavatra toy izany? Iza no efa nahita zavatra toy izany? Hisy tany hateraka indray andro va, Na firenena azo atao indray miteraka? Fa raha vao narary hiteraka Ziona, dia velon-jaza izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Iza no nandre zavatra toy izany? Iza no nahita zavatra toy izany? Hisy tany hateraka indray andro va? Hisy firenena azo atao indray miteraka va? Fa raha vao nihetsi-jaza i Ziona* dia efa velon-jaza.
malagasy
Iza akory no efa nandre zavatra toy izany? Iza no efa nahita zavatra toy izany? Hisy tany hateraka indray andro va, Na firenena azo atao indray miteraka? Fa raha vao narary hiteraka Ziona, dia velon-jaza izy.