Isaiah 66:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa hahatonga vehivavy ho eo amin’ny fiterahana va Aho ka tsy hampiteraka azy? Hoy NY TOMPO; Izaho izay nampiteraka va no hanakana izany indray? Hoy Andriamanitrao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanokatra ny fiterahana va Aho, ka tsy hampiteraka? hoy i Iaveh; sa Izaho izay mampiteraka indray no hisakana tsy hiteraka? hoy ny Andriamanitrao
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka hoy ny TOMPO Andriamanitrao hoe: «Raha Izaho no nikarakara ny vehivavy iray nandritra ny fitondràny vohòka, dia tsy Izaho no hisakana ny hahaterahany. Raha Izaho no nanomana ny fahaterahana, dia tsy Izaho no hanao izay tsy hiterahany.»
Malagasy Bible 1865
Izaho moa hahatonga ho eo amin'ny fiterahana ka tsy hampiteraka va? hoy Jehovah; Izaho hampiteraka, nefa hampikombona indray va? hoy Andriamanitrao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Moa hahatonga vehivavy ho eo amin’ny fiterahana va Aho ka tsy hampiteraka azy? Hoy NY TOMPO; Izaho izay nampiteraka va no hanakana izany indray? Hoy Andriamanitrao.
malagasy
Izaho moa hahatonga ho eo amin'ny fiterahana ka tsy hampiteraka va? hoy Jehovah; Izaho hampiteraka, nefa hampikombona indray va? hoy Andriamanitrao.