Isaiah 7:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andron’i Ahaza, zanak’i Jotama, zanak’i Ozia mpanjakan’ny Joda, no niakaran’i Rezina, mpanjakan’i Arama, sy i Peka, zanak’i Remalia mpanjakan’ny Israely, hanafika an’i Jerosalema, nefa tsy afaka niady taminy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny andron’i Akaza, zanak’i Joatama, zanak’i Oziasa, mpanjakan’i Jodà, dia niakatra hanafika an’i Jerosalema, i Rasima mpanjakan’i Siria, niaraka tamin’i Fasea, zana-dRomelia, mpanjakan’i Israely; nefa tsy nahafaka azy izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andro nanjakàn’i Ahaza, zanakalahin’i Jôtama sady zafikelin’i Hozià mpanjakan’i Joda, dia niakatra i Retsîna mpanjakan’i Siria sy i Peka, zanakalahin’i Remalià sady mpanjakan’i Israely, mba hanafika an’i Jerosalema, kinanjo tsy nahafaka azy.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny andron'i Ahaza, zanak'i Jotama, zanak'i Ozia, mpanjakan'ny Joda, no niakaran-dRezina, mpanjakan'i Syria, sy Pelza, zanak'i Remalia, mpanjakan'ny Isiraely, hanafika an'i Jerosalema, nefa tsy nahafaka azy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andron’i Ahaza, zanak’i Jotama, zanak’i Ozia mpanjakan’ny Joda, no niakaran’i Rezina, mpanjakan’i Arama, sy i Peka, zanak’i Remalia mpanjakan’ny Israely, hanafika an’i Jerosalema, nefa tsy afaka niady taminy izy.
malagasy
[Ny amin'ny hahaterahan'Imanoela, sy ny amin'ny handravana ny fanjakan'i Siria sy Efraima] Ary tamin'ny andron'i Ahaza, zanak'i Jotama, zanak'i Ozia, mpanjakan'ny Joda, no niakaran-dRezina, mpanjakan'i Syria, sy Pelza, zanak'i Remalia, mpanjakan'ny Isiraely, hanafika an'i Jerosalema, nefa tsy nahafaka azy izy.