Isaiah 7:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mangataha famantarana avy amin’NY TOMPO Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin’ny lalina, any amin’ny fitoeran’ny maty, na avy any amin’ny avo, any ambony indrindra any.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Mangataha famantarana amin’i Iaveh Andriamanitrao; mangataha izany, na any amin’ny faravodin’ny seoly, na any amin’ny havoan’ny lanitra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Angataho famantarana ny TOMPO Andriamanitrao mba ho antoka ho anao, na any amin’izay fanambanin’ny toeran’ny maty izany na eny an-danitra ambony eny.
Malagasy Bible 1865
Mangataha famantarana amin'i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin'ny lalina ambany, na ho avy amin'ny avo ambony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mangataha famantarana avy amin’NY TOMPO Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin’ny lalina*, any amin’ny fitoeran’ny maty*, na avy any amin’ny avo, any ambony indrindra any.
malagasy
Mangataha famantarana amin'i Jehovah Andriamanitrao; eny, mangataha na ho avy amin'ny lalina ambany, na ho avy amin'ny avo ambony.