Isaiah 7:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nambara tamin’ny taranak’i Davida hoe: Injao ny Arameana efa mitoby any amin’ny Efraima. Ary nihovotrovotra ny fony sy ny fon’ny vahoakany, toy ny fihovitrovitry ny hazo any an’ala raha asian’ny rivotra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nambara tamin’ny taranak’i Davida izany vaovao izany, fa hoe: «Mitoby any amin’i Efraima i Siria.» Tamin’izany nipararetra hoatra ny fanetsiky ny rivotra ny hazo an’ala, ny fon’ny mpanjaka sy ny fon’ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampandrenesina i Ahaza, taranak’i Davida, sy ny tao an-dapany fa efa mitoby any Efraîma ny Sirianina. Koa taitra ny fon’ny mpanjaka sy ny an’ny vahoakany, tahaka ny hazo any an’ala rehefa tsofin’ny rivotra.
Malagasy Bible 1865
Dia nambara tamin'ny taranak'i Davida hoe: Injao ny Syriana efa mitoby any amin'ny Efraima. Ary nirondrona ny fony sy ny fon'ny vahoakany toy ny firondronan'ny hazo any an'ala, raha asian'ny rivotra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Dia nambara tamin'ny taranak'i Davida hoe: Injao ny Syriana efa mitoby any amin'ny Efraima. Ary nirondrona ny fony sy ny fon'ny vahoakany toy ny firondronan'ny hazo any an'ala, raha asian'ny rivotra.