Isaiah 7:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany koa dia hoharatan’ny Tompo amin’ny hareza nofaina tany ampitan’ny ony Eofrata, miaraka amin’ny mpanjakan’i Asiria, ny loha sy ny volon-tongotra; ary hokakasany koa ny volombava.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany ny Tompo hanaratra, amin’ny hareza nahofany tany an-dafin’ny ony, - dia amin’ny mpanjakan’i Asiria, - ny loha sy ny volon-tongotra ary hoesoriny koa ny volombava.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany andro izany ny Tompo dia hanofa hareza avy eny am-pitan’i Eofrata: filazana ny mpanjakan’i Asiria izany; ka ho voaharatra avokoa ny lohanareo rehetra sy ny volon-tongotrareo ary koa ny volom-bavanareo.
Malagasy Bible 1865
Amin'izany andro izany koa ny Tompo hanaratra ny loha sy ny volon-tongotra Amin'ny hareza nohofana any amoron'ny Ony (Dia ny mpanjakan'i Asyria); Ary ny volom-bava hokakasana amin'iny koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany koa dia hoharatan’ny Tompo amin’ny hareza nofaina tany ampitan’ny ony Eofrata, miaraka amin’ny mpanjakan’i Asiria, ny loha sy ny volon-tongotra; ary hokakasany koa ny volombava.
malagasy
Amin'izany andro izany koa ny Tompo hanaratra ny loha sy ny volon-tongotra Amin'ny hareza nohofana any amoron'ny Ony (Dia ny mpanjakan'i Asyria); Ary ny volom-bava hokakasana amin'iny koa.[Eofrata]