Isaiah 7:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’izany andro izany dia ho rakotry ny anjavidy sy ny tsilo ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo fototra tokony ho arivo sekela.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany ny tany rehetra misy foto-boaloboka arivo izay lafo lela volafotsy arivo, dia ho rakotra hery sy tsilo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’izany andro izany koa ny saha rehetra nisy voaloboka arivo fototra izay mitentina volafotsy arivo dia ho rakotry ny tsilo sy ny songosongo.
Malagasy Bible 1865
Ary amin'Izany andro izany dia ho rakotry ny hery sy ny tsilo Ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo nahazo sekely arivo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’izany andro izany dia ho rakotry ny anjavidy sy ny tsilo ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo fototra tokony ho arivo sekela.
malagasy
Ary amin'Izany andro izany dia ho rakotry ny hery sy ny tsilo Ny tany rehetra izay nisy voaloboka arivo nahazo sekely arivo.