Isaiah 7:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Zana-tsipìka sy tsipìka no hoentin’izay miditra ao satria rakotry ny anjavidy sy ny tsilo ny tany rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Zana-tsipìka aman-tsipìka, no hoenti-miditra ao, fa tsy hisy afa-tsy hery sy tsilo, amin’ny tany rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ho tonga hihaza ao ny olona miaraka amin’ny tsipîka sy ny zana-tsipîka. Izany tany manontolo izany tokoa dia ho rakotry ny tsilo sy ny songosongo.
Malagasy Bible 1865
Zana-tsipìka sy tsipìka no ho entin'izay miditra ao, satria rakotry ny hery sy ny tsilo ny tany rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Zana-tsipìka sy tsipìka no hoentin’izay miditra ao satria rakotry ny anjavidy sy ny tsilo ny tany rehetra.
malagasy
Zana-tsipìka sy tsipìka no ho entin'izay miditra ao, satria rakotry ny hery sy ny tsilo ny tany rehetra.Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin'ny angady dia tsy ho azonao diavina noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; Fa ho falehan'ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman'osy izany.[Na: Dia tsy halehan']