Isaiah 7:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny havoana rehetra izay nohavàna tamin’ny angady dia tsy ho sahinao diavina noho ny fahatahorana ny anjavidy sy ny tsilo: Ho falehan’ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman’osy izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny tendrombohitra rehetra izay fiasa tamin’ny antsetra fiavàna tsy hankanesanao intsony noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; fa dia ho tany fiandrasana omby, ary ho tany hitsakitsahin’ny ondry.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ny amin’ireo havoana izay novolena tamin’ny lapika dia tsy ho azo aleha intsony noho ny tahotra ny tsilo sy ny songosongo, fa havela ho kijàna fiandrasana omby sy ho tany firaofan’ny ondry aman’osy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin'ny angady dia tsy ho azonao diavina noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; Fa ho falehan'ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman'osy izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny havoana rehetra izay nohavàna tamin’ny angady dia tsy ho sahinao diavina noho ny fahatahorana ny anjavidy sy ny tsilo: Ho falehan’ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman’osy izany.
malagasy
Ary ny tanety rehetra izay nohevoina tamin'ny angady dia tsy ho azonao diavina noho ny fahatahorana ny hery sy ny tsilo; Fa ho falehan'ny omby sy ho voahitsakitsaky ny ondry aman'osy izany.[Na: Dia tsy halehan']