Isaiah 7:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
koa lazao aminy hoe: Mitandrema ka aza taitaitra foana; aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao noho ireto tapa-porohana roa midona-tsetroka ireto, dia ny firehetan’ny fahatezeran’i Rezina sy i Arama ary ny zanak’i Remalia.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka ianao hilaza aminy hoe: Mitandrema, mandria amim-piadanana, aza matahotra, ary aza rera-po foana ianao eo anatrehan’ireo tapa-porohana roa midonaka ireo, amin’ny fisafoakan’i Rasìna sy i Siria, ary ny zana-dRomelia.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary lazao aminy hoe: «Tandremo! Aza taitaitra foana, aza matahotra. Aoka tsy ho ketraka ny fonao noho ny fahatezeran’i Retsîna avy any Siria sy ny fahatezeran’ny zanakalahin’i Remalià, fa tapa-porohana midonaka ihany ireo.
Malagasy Bible 1865
ka lazao aminy hoe: Mitandrema, ka aza taitaitra foana; Aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao Noho ireto tapa-porohana roa midonaka ireto, Dia ny firehetan'ny fahatezeran-dRezina sy Syria ary ny zanak'i Remalia.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
koa lazao aminy hoe: Mitandrema ka aza taitaitra foana; aza matahotra, ary aoka tsy ho ketraka ny fonao noho ireto tapa-porohana roa midona-tsetroka ireto, dia ny firehetan’ny fahatezeran’i Rezina sy i Arama ary ny zanak’i Remalia.
malagasy