Isaiah 8:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy NY TOMPO tamiko: Makà fafana lehibe ka soraty eo araka ny fanoratry ny olona hoe: Mahera-Salala-Hasy-Baza, izany hoe: Avy haingana ny famaboana, mihazakazaka ny fandrobana!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh tamiko: «Mangalà fàfana lehibe, ka soraty eo, amin’ny soratra azon’ny olona rehetra vakina, izao: ‹Hafaingano ny fandrobana! Mamaboa faingana.› »
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny TOMPO tamiko: –Mandraisa takela-tanimanga iray lehibe, dia soraty araka ny fanaon’ny olona izao: «Ho an’i Mahera-Salala-Hasy-Baza» na hoe «Ho an’i Faingàna hamabo-Dodòna handroba.»
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty aminy araka ny fanoratry ny olona hoe: "Ho an 'i Mahera-salala-hasi-baza."
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy NY TOMPO tamiko: Makà fafana lehibe ka soraty eo araka ny fanoratry ny olona hoe: Mahera-Salala-Hasy-Baza, izany hoe: Avy haingana ny famaboana, mihazakazaka ny fandrobana!
malagasy
[Ny amin'ny hahaterahan'ny zanaky ny mpaminanivavy, sy ny handresen'i Asyria ny Joda, ary ny toky ho azon'ny tena Isiraely noho ny nahaterahan'ny Zaza Mahagaga] Ary hoy Jehovah tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty aminy araka ny fanoratry ny olona hoe: "Ho an'i Mahera-salala-hasi-baza." [Na: amin'][Mahera-salala-hasi-baza = Avy faingana ny famaboana, mimaona ny fandrobana]