Isaiah 8:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Makà saina ianareo hanaovana vinavinan’asa, nefa hofoanana izany! Milazà teny iray; fa tsy ho tanteraka tsy akory izany! Fa aminay Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manaova fikasana, nefa hofoanana izany; manomeza baiko, nefa tsy hisy vokany izany; satria momba anay Andriamanitra!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manaova fikasana fa ho rava izany, manaova lahateny aman-karajia fa tsy hisy ho tanteraka akory ireny, satria Andriamanitra no momba anay.
Malagasy Bible 1865
Makà saina ihany ianareo, nefa mbola hofoanana izany; Milazà ihany ny teny, nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory; Fa aminay Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Makà saina ianareo hanaovana vinavinan’asa, nefa hofoanana izany! Milazà teny iray; fa tsy ho tanteraka tsy akory izany! Fa aminay Andriamanitra.
malagasy
Makà saina ihany ianareo, nefa mbola hofoanana izany; Milazà ihany ny teny, nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory; Fa aminay Andriamanitra. [Heb. Imanoela; izahao and. 8]