Isaiah 8:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy milaza aminareo hoe: Makà saina amin’ny olona izay mpiantso ny fanahin’ny maty sy ny mpanandro, izay mingonongonona sy miboredidredika! Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan’ny olona saina? Moa hila saina amin’ny maty ho an’ny velona va izy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha avy izay hilazany aminareo hoe: «Manontania an-dry zareo miantso ny maty, sy amin’ny mpisikidy manao feo mimonomonona sy mibitsibitsika,» valio hoe: «Moa tsy ny Andriamaniny va no tokony hanontanian’ny vahoaka? dia ny maty va no hilan-tsaina ho an’ny velona?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Misy milaza hoe: «Anontanionareo ny avelon’ny maty izay mibitsibitsika sy misaosao eo am-pilazana ny hoavy. Ara-dalàna raha manontany izay heveriny ho andriamanitra ny vahoaka iray; ara-dalàna raha manontany ny maty izy mba ho fanasoavana ny velona.»
Malagasy Bible 1865
Ary raha lazainy aminareo hoe: Milà saina amin'ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao sikidy, izay mitsiatsiaka sy miboeriboerika, Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan'ny olona saina? Fa hila saina amin'ny maty ho an'ny velona va izy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy milaza aminareo hoe: Makà saina amin’ny olona izay mpiantso ny fanahin’ny maty sy ny mpanandro, izay mingonongonona sy miboredidredika! Moa tsy Andriamaniny va no tokony hilan’ny olona saina? Moa hila saina amin’ny maty ho an’ny velona va izy?
malagasy