Isaiah 8:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hijery ny tany izy avy eo ka indro, fahoriana sy fahamaizinana ary tebiteby mampanjombona no eo; ary horoahina ho any amin’ny haizim-pito izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanandratra ny masony any ambony, dia hanondrika azy amin’ny tany indray: Ka indro ny fahoriana, ny haizina, ny tebiteby mampanjombona; horoahina any amin’ny haizim-pito izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary hiondrika hijery ny tany, ka indro fahoriana sy haizina no hitany, haizim-pito mampitebiteby sy alina tsy misy mangirana.
Malagasy Bible 1865
Ary hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, Ary horoahina ho any amin'ny aizim-pito izy. Fa tsy hanjombona mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana. Tamin'ny taloha dia nataony tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; Fa amin'ny aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana eo amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Dia Galilia, tanin'ny jentilisa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hijery ny tany izy avy eo ka indro, fahoriana sy fahamaizinana ary tebiteby mampanjombona no eo; ary horoahina ho any amin’ny haizim-pito izy.
malagasy
Ary hijery ny tany izy, ka indro fahoriana sy fahamaizinana ary manjombona mahafadiranovana, Ary horoahina ho any amin'ny aizim-pito izy.Fa tsy hanjombona mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana. Tamin'ny taloha dia nataony tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; Fa amin'ny aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana eo amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Dia Galilia, tanin'ny jentilisa.