Isaiah 8:23 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy hanjombona mandrakariva anefa ilay efa niharam-pahoriana. Taloha dia natao tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; fa amin’ny ho avy kosa dia homeny voninahitra ny lalana amoron-dranomasina, any andafin’i Jordana, dia any Galilia, tanin’ny Jentilisa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy hisy anefa ny haizim-pito, amin’ny tany nozoim-pahoriana. Toy ny nanotofan’ny andro taloha fahafaham-baraka, ny tany Zabolôna sy ny tany Neftalì, no hamenoan’ny andro farany voninahitra, ny lalan’ny ranomasina, ny tany an-dafin’i Jordany, ary ny faritanin’ny firenena.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa tsy hisy haizina intsony eo amin’ny toerana izay efa nozoim-pahoriana. Nataon’ny Tompo afa-baràka fahiny ny tanin’i Zebolòna sy i Naftalỳ; fa atỳ aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana manamorona ny ranomasina, sy ny faritra eny am-pita atsinanan’i Jôrdàna ary koa i Galilea onenan’ny hafa firenena.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy hanjombona mandrakariva anefa ilay efa niharam-pahoriana. Taloha dia natao tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; fa amin’ny ho avy kosa dia homeny voninahitra ny lalana amoron-dranomasina, any andafin’i Jordana, dia any Galilia, tanin’ny Jentilisa*.
malagasy
Fa tsy hanjombona mandrakariva ilay efa nozoim-pahoriana. Tamin'ny taloha dia nataony tsinontsinona ny tany Zebolona sy ny tany Naftaly; Fa amin'ny aoriana kosa dia homeny voninahitra ny lalana eo amoron-dranomasina, any an-dafin'i Jordana, Dia Galilia, tanin'ny jentilisa.