Isaiah 8:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Satria raha tsy mbola mahatonona hoe: Dada! Neny! Io zazalahy io dia hoentina eo anatrehan’ny mpanjakan’i Asiria ny harenan’i Damaskosy sy ny fananan’i Samaria.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa alohan’ny hahaizan’io zaza io miantso hoe: Dada sy Neny dia hoaterina eo anatrehan’ny mpanjakan’i Asiria ny haren’i Damasy sy ny babo azo tamin’i Samaria.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha tsy mbola mahay miantso Dada sy Neny akory io zaza io, dia hoentina eo anatrehan’ny mpanjakan’i Asiria ny haren’i Damasy sy ny remby voababo tao Samaria.
Malagasy Bible 1865
Fa raha tsy mbola mahatonona hoe Idada na Ineny io zazalahy io, dia hobaboina eo anatrehan'ny mpanjakan'i Asyria ny haren'i Damaskosy sy ny fananan'i Samaria.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Satria raha tsy mbola mahatonona hoe: Dada! Neny! Io zazalahy io dia hoentina eo anatrehan’ny mpanjakan’i Asiria ny harenan’i Damaskosy sy ny fananan’i Samaria.
malagasy
Fa raha tsy mbola mahatonona hoe Idada na Ineny io zazalahy io, dia hobaboina eo anatrehan'ny mpanjakan'i Asyria ny haren'i Damaskosy sy ny fananan'i Samaria.