Isaiah 8:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia indro, hampiakarin’ny Tompo hanafotra azy ny ranobe manonja amin’ny ony Eofrata, dia ny mpanjakan’i Asiria sy ny voninahiny rehetra. Ho tondraka ny renirano ary hihoarany ny morony rehetra;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
noho izany, indro hampiakarin’ny Tompo hanafika azy ireo, ny ranon’ny ony, sady mahery no lalina, dia ny mpanjakan’i Asiria mbamin’ny heriny rehetra; ny masondranony rehetra hosaforany, ary ny morony rehetra hihoarany;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, hakariko hamely ity vahoaka ity ny ranon’i Eofrata, izay rano be sady manonja, dia ny mpanjakan’i Asiria sy ny heriny manontolo. Hiala amin’ny làlany ny ony Eofrata ka hihoatra ny morony rehetra,
Malagasy Bible 1865
Dia, indro, hampiakarin'ny Tompo hanafotra azy ny rano be sady manonja amin'ny Ony (Dia ny mpanjakan'i Asyria sy ny voninahiny rehetra); Ary ny masondranony rehetra ho tondraka, Ary ny morony rehetra hihoarany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia indro, hampiakarin’ny Tompo hanafotra azy ny ranobe manonja amin’ny ony Eofrata, dia ny mpanjakan’i Asiria sy ny voninahiny rehetra. Ho tondraka ny renirano ary hihoarany ny morony rehetra;
malagasy
Dia, indro, hampiakarin'ny Tompo hanafotra azy ny rano be sady manonja amin'ny Ony (Dia ny mpanjakan'i Asyria sy ny voninahiny rehetra); Ary ny masondranony rehetra ho tondraka, Ary ny morony rehetra hihoarany; [Eofrata]