Isaiah 8:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia hiriotra mafy izy ka hipaoka ny Joda ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany mandra-pahatongany havozona. Ary ny fivelatry ny elany dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ho tafatsofoka amin’i Jodà izy, ho tondraka sy hanafotra, hisondrotra mandra-pahatongavany havozona, ary ny fivelaran’ny elany handrakotra ny tampon’ny taninao rehetra, ry Emanoela ô!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
hibosesika any Joda sady hanafotra azy, ary hiakatra hatreny am-bozony. Eny, hihanaka lavitra amin’ny sisiny roa i Eofrata ka hanenika ny velaran’ny taninao, ry Himanoela.
Malagasy Bible 1865
Dia himaona fatratra izy ka hihatra amin'ny Joda Ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany Mandra-pahatongany havozona; Ary ny fipasany eny an-daniny roa dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia hiriotra mafy izy ka hipaoka ny Joda ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany mandra-pahatongany havozona. Ary ny fivelatry ny elany dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô!
malagasy
Dia himaona fatratra izy ka hihatra amin'ny Joda Ary hanafotra sady mbola hisondrotra ihany Mandra-pahatongany havozona; Ary ny fipasany eny an-daniny roa dia hanenika ny taninao, ry Imanoela ô.[Heb. fampivelatra ny elany]