Isaiah 8:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mangovita ianareo, ry firenena ô, fa mbola ho ringana ianareo! Mihainoa tsara, ry tany lavitra rehetra! Misikìna ianareo hiady, nefa ho ringana ihany! Eny, misikìna ianareo hiady, nefa ho ringana tanteraka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manaova akoran’ady, ry vahoaka, nefa ho resy ianareo! Manongilàna sofina ianareo rehetra, ry fara vazan’ny tany. Vonony ny fitaovanareo, nefa ho resy ianareo! Vonony ny fitaovanareo, nefa ho resy ianareo e!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mangovita ianareo, ry firenena, ka mihorohoroa fatratra! Aoka hanongilan-tsofina ianareo, ry faritra rehetra any lavitra any: hirongo fiadiana tokoa ianareo, nefa hihorohoro fatratra; eny, hirongo fiadiana tokoa ianareo, nefa hihorohoro fatratra.
Malagasy Bible 1865
Misafoaha ihany ianareo, ry firenena ô, nefa mbola ho ringana mihitsy ianareo; Ary mihainoa ihany, ry tany lavitra rehetra, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy; Eny, misikìna ihany ianareo, nefa mbola ho ringana mihitsy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mangovita ianareo, ry firenena ô, fa mbola ho ringana ianareo! Mihainoa tsara, ry tany lavitra rehetra! Misikìna ianareo hiady, nefa ho ringana ihany! Eny, misikìna ianareo hiady, nefa ho ringana tanteraka.
malagasy