Isaiah 9:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny olona izay mandeha amin’ny maizina dia mahita mazava lehibe; izay mitoetra amin’ny tanin’ny aloky ny fahafatesana no amirapiratan’ny mazava.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny vahoaka nandeha tamin’ny haizim-pito, nahita mazava lehibe; ary ireo nonina tamin’ny tany aloky ny fahafatesana, namirapiratan’ny mazava.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny vahoaka mandeha ao anatin’ny haizina dia hahita hazavana lehibe; ary ny olona mipetraka ao amin’ny tany izay tandindomin’ny fahafatesana dia hiposahan’ny hazavana.
Malagasy Bible 1865
Ny olona izay mandeha amin'ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin'ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan'ny mazava.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny olona izay mandeha amin’ny maizina dia mahita mazava lehibe; izay mitoetra amin’ny tanin’ny aloky ny fahafatesana no amirapiratan’ny mazava.
malagasy
Ny olona izay mandeha amin'ny maizina dia mahita mazava lehibe; Izay mitoetra amin'ny tany aloky ny fahafatesana no iposahan'ny mazava.