Isaiah 9:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia ny Arameana avy any atsinanana sy ny Filistina avy any andrefana; misanasana vava handrapaka ny Israely ireo. Kanefa na eo aza izany rehetra izany dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany fa mbola miainga ihany ny tanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia i Siria any Atsinanana, sy ny Filistinina any Andrefana, ka ho lanin’ireo, hataony be am-bava, i Israely. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia ny Sirianina teo anoloany ary ny Filistinina tao an-damosiny, ka nandrapaka an’i Israely indraim-bava. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia mbola tsy afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.
Malagasy Bible 1865
Dia ny Syriana avy any atsinanana sy ny Filistina avy any andrefana; Ary misanasana vava mandrapaka ny Isiraely ireo. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tanany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia ny Arameana avy any atsinanana sy ny Filistina avy any andrefana; misanasana vava handrapaka ny Israely ireo. Kanefa na eo aza izany rehetra izany dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany fa mbola miainga ihany ny tanany.
malagasy