Isaiah 9:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noho izany dia hofongoran’NY TOMPO amin’ny Israely ao anatin’ny indray andro monja ny loha sy ny rambo, ny sampana palma sy ny zozoro.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hofongoran’i Iaveh amin’i Israely ny loha sy ny rambo, ny fototr’antrendry aman-jozoro amin’ny indray andro monja.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa tanatin’ny indray andro monja no namongoran’ny TOMPO an’i Israely, na ny any an-tampony na ny any am-potony, na ny sampandrofia na ny volotara.
Malagasy Bible 1865
Ka dia nofongoran'i Jehovah amin'ny Isiraely indray andro monja Ny loha sy ny rambo, ny sampan-drofia sy ny zozoro
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noho izany dia hofongoran’NY TOMPO amin’ny Israely ao anatin’ny indray andro monja ny loha sy ny rambo, ny sampana palma sy ny zozoro.
malagasy
Ka dia nofongoran'i Jehovah amin'ny Isiraely indray andro monja Ny loha sy ny rambo, ny sampan-drofia sy ny zozoro [palma]