Isaiah 9:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noho izany dia tsy mahafaly NY TOMPO ny zatovony, ary tsy iantrany ny kamboty sy ny mpitondratena ao aminy satria samy tsy mino sy mpanao ratsy izy, ary milaza hadalana ny vava rehetra. Kanefa na eo aza izany rehetra izany dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany fa mbola miainga ihany ny tanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany ny zatovon’izy ireo tsy ankasitrahin’ny Tompo, ary ny kamboty amam-mpitondratenany, tsy ananany antra; satria izy rehetra dia samy mpankahala fivavahana sy ratsy fanahy avokoa, ary ny lela rehetra mamoaka fankahalana ny fivavahana avokoa. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, dia tsy hiantran’ny Tompo ireo tanorany ary tsy hamindrany fo ireo kamboty sy mpitondratenany. Fa olona tsy mahatoky sady mpanao ratsy izy rehetra ary ny vavany samy miteny hadalana avokoa. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia tsy mbola afaka ny fahatezeran’ny Tompo fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.
Malagasy Bible 1865
Ary noho izany dia tsy mahafaly an'i Jehovah ny zatovony, ary ny kamboty sy ny mpitondratena ao aminy dia tsy iantrany; Fa samy mpihatsaravelatsihy sy mpanao ratsy izy, ary ny vava rehetra mamoaka teny fahadalana. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noho izany dia tsy mahafaly NY TOMPO ny zatovony, ary tsy iantrany ny kamboty sy ny mpitondratena ao aminy satria samy tsy mino sy mpanao ratsy izy, ary milaza hadalana ny vava rehetra. Kanefa na eo aza izany rehetra izany dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany fa mbola miainga ihany ny tanany.
malagasy
Ary noho izany dia tsy mahafaly an'i Jehovah ny zatovony, ary ny kamboty sy ny mpitondratena ao aminy dia tsy iantrany; Fa samy mpihatsaravelatsihy sy mpanao ratsy izy, ary ny vava rehetra mamoaka teny fahadalana. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.[Na: ratsy fanahy]