Isaiah 9:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa mandoro tahaka ny afo ny haratsiam-panahy, mandevona ny tsilo sy ny anjavidy ary mampirehitra ny ala mikirindro ka mitambolimbolina ny setroka misavoana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nirehitra hoatra ny afo ny faharatsiana, ka mandevona ny hery sy ny tsilo; mampiredaka ny hery milobolobo amin’ny ala, ka ny setroka misavoana mitambolimbolina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, midedadeda tokoa ny faharatsiana toy ny afo mandoro ny tsilo sy ny songosongo sady mandrehitra ny kirihitr’ala ka mampisavoana ny setroka mitambolina.
Malagasy Bible 1865
Fa ny faharatsiana mandoro tahaka ny afo, Mandevona ny tsilo sy ny hery ary mampirehitra ny ala mikirindro ka mitambolimbolina tahaka ny setroka misavoana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa mandoro tahaka ny afo ny haratsiam-panahy, mandevona ny tsilo sy ny anjavidy ary mampirehitra ny ala mikirindro ka mitambolimbolina ny setroka misavoana.
malagasy
Fa ny faharatsiana mandoro tahaka ny afo, Mandevona ny tsilo sy ny hery ary mampirehitra ny ala mikirindro ka mitambolimbolina tahaka ny setroka misavoana.