Isaiah 9:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mandripaka eny ankavanana izy nefa noana ihany; mandany eny ankavia izy nefa tsy voky ihany; samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mikapa eny ankavanana ny olona, nefa noana ihany, mandrapaka eny ankaviany izy, nefa mbola tsy voky; samy mihinana ny nofon-tsandriny avokoa izy; i Manase mamely an’i Efraima, i Efraima mamely an’i Manase, izy roa tonta ireo mamely an’i Jodà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
andidiana ny eo an-kavanana nefa mbola noana ihany ny tena, ihinanana ny eo an-kavia nefa mbola tsy voky ihany. Samy mihinana ny havany avokoa izy:
Malagasy Bible 1865
Ary mandripaka eny an-kavanana izy nefa noana ihany; Ary mandany eny an-kavia izy, nefa tsy voky ihany; Samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mandripaka eny ankavanana izy nefa noana ihany; mandany eny ankavia izy nefa tsy voky ihany; samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra.
malagasy
Ary mandripaka eny an-kavanana izy nefa noana ihany; Ary mandany eny an-kavia izy, nefa tsy voky ihany; Samy mihinana ny nofon-tsandriny avy izy rehetra,Eny, Manase mihinana an'i Efraima, ary Efraima kosa mihinana an'i Manase, Ary izy roa tonta dia miara-mamely an'i Joda. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.