Isaiah 9:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hamaroinao ity firenena ity ary ampitomboinao ny hafaliany. Mifaly eo anatrehanao tahaka ny hafaliana amin’ny fararano izy; eny, tahaka ny fibitahan’ny olona raha mizara babo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nampitombo ny vahoakanao Ianao, ary nataonao lehibe ny hafaliana; ka mifaly eo anatrehanao, toy ny fifaliana raha fararano izy, toy ny fihobiana an-kafaliana, raha mizara babo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nohamaroinao ny fifaliany ary nampitomboinao ny firavoravoany. Miravoravo eo anatrehanao izy tahaka ny iravoravoana amin’ny fararano sy anaovana antsoantsom-pifaliana rehefa injay mizara babo ny olona.
Malagasy Bible 1865
Hamaroinao ity firenena ity, Ary ampitomboinao ny hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin'ny fararano, ary tahaka ny fifalin'ny olona, raha mizara babo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hamaroinao ity firenena ity ary ampitomboinao ny hafaliany. Mifaly eo anatrehanao tahaka ny hafaliana amin’ny fararano izy; eny, tahaka ny fibitahan’ny olona raha mizara babo.
malagasy
Hamaroinao ity firenena ity, Ary ampitomboinao ny hafaliany; Mifaly eo anatrehanao izy tahaka ny hafaliana amin'ny fararano, ary tahaka ny fifalin'ny olona, raha mizara babo.