Isaiah 9:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; ary ny fahefana dia eo an-tsorony; ny anarany atao hoe Mpanolotsaina mahagaga, Andriamanitra mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrianan’ny fiadanana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa misy zaza teraka ho antsika; zazalahy nomena antsika; ka ny fanjakana napetraka eo an-tsorony; ary ny anarany atao hoe: Mpanolo-tsaina mahagaga, Andriamanitra mahery, Ray mandrakizay, Andrian’ny fiadanana,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Satria misy zaza teraka ho antsika, zazalahy no omena antsika; eny an-tsorony ny mari-piandrianany, ary ny anaram-boninahiny dia hatao hoe: Mpitondra mahay, Andriamanitra mahery, Ray mandrakizay, Andriana mitondra ny fiadanana.
Malagasy Bible 1865
Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; ary ny fahefana dia eo an-tsorony; ny anarany atao hoe Mpanolotsaina mahagaga, Andriamanitra mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrianan’ny fiadanana.
malagasy
Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; Ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain'ny mandrakizay Andrian'ny fiadanana.[Na: mpanolo-tsaina mahagaga]