Isaiah 9:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny handrosoan’ny fiandrianana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida sy ny fanjakany mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny fitsarana marina hatramin’izao ka ho mandrakizay. Izany no hotanterahin’ny fahasaro-piaron’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mba hanitatra ny fanjakana, sy hanome fiadanana tsy manam-pahataperana, ho an’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenany azy sy hanamafisany azy, amin’ny hitsiny sy ny rariny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Ny zotom-pon’i Iavehn’ny tafika no hanatanteraka izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hanao izay hanitarana ny fahefàny izy ary hampisy fiadanana tsy misy fetra. Ny sezafiandrianan’i Davida no hipetrahany ary ny fanjakany no hofeheziny ka haoriny sy hohamafisiny amin’ny rariny sy ny hitsiny, hatramin’izao ka ho mandrakizay. Izany no hotanterahin’ny TOMPOn’izao rehetra izao, vokatry ny firedaredam-pitiavany.
Malagasy Bible 1865
Ny handrosoan'ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana Eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin'ny rariny sy ny hitsiny hatramin'izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron'i Jehovah, Tompon'ny maro, no hahatanteraka izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny handrosoan’ny fiandrianana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin’ny sezafiandrianan’i Davida sy ny fanjakany mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny fitsarana marina hatramin’izao ka ho mandrakizay. Izany no hotanterahin’ny fahasaro-piaron’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
malagasy